airtel

Sosialy

10-févr-2021

Sosialy

Anosibe Noraofin’ny kaominina ireo sarety sy kalesa mpivarotra

Sample post image

5 hetsy Ar eo ny vidin’ny kalesy iray fitondrana akondro mandehandeha amin’izao.

10-févr-2021

 

 

Ny nampalahelo anefa dia kalesa sy sarety eran’ny kamiao no noraofin’ny kaominina teny Anosibe omaly, izay notsindriana Renim-pianakaviana iray mihitsy fa nopotipotehan’izy ireo. Mbola tohin’ilay raharaha fandrarana ireo mpitondra kalesa mitondra akondro sy sarety izay voalaza fa manembantsembana ny fifamoivoizana sy mibahana ny arabe sy ny lalan’ny mpandeha an-tongotra no anton’izany. Nitroatra mafy ireo mpanotrika akondro eny Namontana noho izany. Fa hanao inona izahay hoy ny Renim-pianakaviana iray, hangalatra hogadraina nefa mivarotra ara-dalàna arahina gidragidra ihany koa. Nanambara moa izy ireo fa efa nikasa ny hihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny kaominina tamin’ny afak’omaly alatsinainy nanombohan’ny hetsika saingy tsy nety nandray ny kaominina. Amin’ny herinandro indray no fotoana vaovao azon’izy ireo, fotoana izay nambaran’ ity Renim-pianakaviana ity fa tokony efa hampidirana vola 10.000 Ar isan-tokantrano ho an’ny mpitondra kalesa.

Pati

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap