airtel

Sosialy

19-janv-2021

Sosialy

Anosibe Volaniray Nitrangana hain-trano, ripaka ny kisoa

Sample post image

Nitrangana hain-trano tetsy Anosibe Volaniray omaly tokony ho tamin’ny 07 ora maraina.

19-janv-2021

 

 

Trano hazo iray no niavian’ny afo izay tombanana ho vokatry ny afon-kitay raha ny nambaran’ireo mponina teny an-toerana ka niitatra tamina trano hazo am-polony. Vokany, nananika ny taribin-jiron’ny JIRAMA mihitsy izany ka voatery notapahana ny herinaratra teny an-toerana. Vola sy fananana nohariana am-polo taonany no nafoy tao anatin’ny indray mipi-maso vokatr’izany ka anisan’ireny ireo kisoa matavy nompiana miisa 5. Iray monja no tafavoaka velona raha araka ny fantatra hatrany fa ny ankoatra izay dia taraiky avokoa. Ireo mponina teny an-toerana ihany moa no nifanome tanana namono ny afo ka voafehy tao anatin’ny fotoana fohy ihany izany. Marihina fa somary nahazo afovoan-tanana ity nisy trano may ity ka sahirana ihany ny sampana mpamonjy voina raha nantsoina teny an-toerana.

Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap