nampikolay ny vahoaka teny Anosivavaka Ambohimanarina, anatin'ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Tonga hijery ifotony izany sady nitafa tamin'ireo vahoaka teny an-toerana ny Depiote Todisoa Andriamampandry, izay angady nananana sy vy nahitana ny asa. "Vitantsika ny lalana izay nangatahan'ny mponina teto Anosivavaka , tao anatin'ny fotaka sy rano hatramin’izay. Noraisiko adidy ny fanaovana ireo lalana satria mijaly ny vahoaka ary mbola ho avy ny an'ny fokontany hafa. Manentana ny mponina mba hikojakoja izany fotodrafitrasa izany.", hoy ny Depiote Todisoa Andriamampandry tamin'ny vahoaka. Tsy vao sambany tamin'ny asa sosialy nataon'ity farany io na tsy asa aman'andraikitry ny depiote aza ny manamboatra lalana. Ny tenany izay naneho sy nanamarila rahateo nandritra io fa tsy andraikitra fa adidy amin'ny vahoaka no ataony, ka nanamafisany hatrany an'ilay hoe: “Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy”.
Toky R
Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,
Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny
Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,