airtel

Sosialy

12-mai-2023

Sosialy

Anosy Tsy namaha olana ny fahavitan’ilay tsena vaovao

Sample post image

Tsy afaka nivarotra tahaka ny fanaon’izy ireo mahazatra isaky ny alakamisy ireo mpivarotra etsy Anosy manoloana sy manodidina ilay tsena vaovaobe an’ny kaominina. Mpivarotra 91 no voakisaka sy tsy nahazo niasa

12-mai-2023

tamin’ny 7 ora maraina no nanomboka namelatra entana izy ireo omaly, tamin’ny 11 ora maraina anefa dia tonga ny avy ao amin’ny kaominina nandroaka fa satria hoe tsy azo atao ny mivarotra eo fa ao anaty tsena raha hivarotra.Mangataka izahay mba tsy ho foanana ilay tsena alakamisy satria foto-pivelomanay ilay varotra isaky ny alakamisy io, hoy ireto mpivarotra ireto .Nambaran’izy ireo fa misy akony ratsy amin’ny fitadiavana ny fanesorana tampoka tsy misy fampilazana tahaka izao. Efa 35 taona izahay no nivarotra teto ary aoka hazava ny resaka hoy ireo mpivarotra fa tsena andavanandro io tsena vaovao io izany hoe , alatsinainy, talata, alarobia, zoma, sabotsy fa hafa mihitsy ilay hoe tsenan’Alakamisy. Iny dia indray mandeha isan-kerinandro ihany. Milaza ho tsy mandà ny fandaminana ireto mpivarotra ireto fa tokony mba ho jerena kosa ny toerana hahafahanay mivarotra hoy izy ireo, fa tsy tonga dia fandroahana tsy misy adihevitra tahaka izao no atao anay. Efa nitranga ihany moa ny olana tahaka izao taorian’ny fahavitan’ ilay tsena goavambe eny Behoririka. Ny fandaminana eo ihany, fa ny tsapa dia efa tena be loatra ireo mpivarotra, ary ny terana mora hahalafosana entana dia ny amoron-dalana no tena maha maika azy ireo. Manakorontana sy mandoto tanàna anefa izany. Tsy dia any amin’ny fananganana tsena vaovao angamba no vahaolana fa ny famoronana asa mba tsy hampirohotra ny olona any amina resaka vola maika amin’ny kivarobarotra etsy sy eroa.
RTT

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap