airtel

Sosialy

04-mars-2022

Sosialy

Antanamanjaka -Antsirabe Nidoboka am-ponja ilay rangahy nidaroka zaza

Sample post image

Zazalahikely iray havan’ilay Ramatoa izay taizan’izy mivady no nodarohan’ilay rangahy isaky ny mamo izy tao Antanamanjaka Antsirabe, Faritra Vakinankaratra.

04-mars-2022

Tsy afa-nanoatra ravehivavy nandritra izany noho ny tahony am-badiny ka tsy sahy nikofoka. Ny mpampianatra ilay zazalahikely no tsy nahazaka nahita ny fijaliana hiaretan'ity zaza ity ka nanao antso avo tamin 'ny tambazotran-tserasera facebook. Saika ahitana mangana hatrany mantsy ny tenany. Hitan'ireo zandary ao Vakinankaratra izany ka nandraisany fepetra . Nitsoaka ilay nahavanon-doza nandritra izany saingy nokarohin'ny zandary avy ao amin'ny poste avancé ao Antanamanjaka sy ny Borigady ao Antsirabe ka tratra ihany. Marihina moa fa mampigadra ny fikasihan-tanana sy fidarohana zaza tahaka izao na dia zanaka nateraka aza. Ny fiarahamonina araka izany no entanina hampahafantatra ny zava-misy tahaka ireny amin’ny mpitandro ny filaminana. Raisina ho mpiray tsikombakomba ireo izay mahita na mahafantatra nefa tsy mampandre raha misy mahatratra.
Pati
Legende : Ity ilay rangahy namono ny zana-badiny
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap
22-avril-2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Card image cap
19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap