airtel

Sosialy

08-févr-2023

Sosialy

Antananarivo 2 isan-kerinandro no mamono tena noho ny resa-pitiavana

Sample post image

Mbola betsaka ireo olona mamono tena vokatry ny olana ara-pitiavana eto amintsika. Ankoatra ireo mihinam-panafody mahery vaika dia tsy

08-févr-2023

vitsy ireo mitsoraka any anaty rano na mamono tena any ambany fiara mandeha izay tsy hanavahana na lahy na vavy. Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha dia miisa 2 isan-kerinandro ireo olona mamono tena vokatry ny olana ara-pitiavana raha kely saingy avotra avokoa ny ankamaroany. Vao omaly maraina indray ohatra dia tovovavy iray 22 taona no nitsoraka tetsy amin’ny tetezan’Ampasika miazo an’Itaosy ka namoy ny ainy avy hatrany. Olona nandalo teny amin’iny faritra iny no nahita azy efa nitsoraka ka tsy voatazona intsony. Somary sarotsarotra rahateo ny namonjy azy noho izy tao afovoan-drano no nitsoraka nefa tsy mahay milomano raha araka ny fantatra. Antony namonoan’ity tovovavy ity tena moa ny fanakanan’ireo Ray aman-dReniny azy tsy hanambady ilay olon-tiany, hono. Mpihavana ihany, hono, mantsy izy ireo. Efa tsy nisy aina intsony ny tovovavy vao tafakatra teo amin’ny bozaka ny vatana mangatsiakany.
Legende : Naleon’ilay tovovavy nanapitra ny ainy rehefa tsy navela hanambady ny olon-tiany izy
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap