airtel

Sosialy

24-mai-2022

Sosialy

Antananarivo Ahiana hitroatra ireo mpivarotra

Sample post image

Nanao fanambarana manohitra marindrano ny mety ho fampidiran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) orinasa tsy miankina hitaky ny haba eny anivon'ny tsena ireo mpivarotra manerana ny boriborintany 6 omaly,

24-mai-2022

tetsy amin’ny Restaurant Ny Railovy Analakely, notarihin’Atoa Raharijaona Harisson Tefy Filohan’ny Delegen’ny mpivarotra eto Antananarivo. Hita tao avokoa ireo mpivarotra sy solontena avy amin’ny tsena miisa 13: Tsimialonjafy Mahamasina, Ampasampito, Andravoahangy, Petite Vitesse, Isotry, Ambohijatovo, Soamanatombo, Namontana, Ambohimanarina,... Tsy manaiky ny hidiran’ny orinasa SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) hitaky ny haba. “Aminay izany fitakiana haba izany dia resaka raharaham-panjakana (Service public) ka tsy tokony homena ny tsy miankina, ary mifanitsaka amin'ny tokony ho izy izany. Misy ireo « percepteurs » izay manana ny zo sy adidy hitaky haba eny amin’ny tsena, ny vola izay takian'ireny dia mivantana avy hatrany any amin'ny kitapombolam-panjakana, ary raisinay mba ho fanatsarana ny tananan'Antananarivo”, hoy ireo mpivarotra. Marihina moa, fa raha ny fifanarahana dia 30% amin’ny vola miditra an’ny SMGD ary 70% kosa ny an’ny CUA. Eo anatrehan’ny filazan’ny kaominina, fa tsy mahefa loatra ireo mpitaky hetra ara-dalàna mpiasam-panjakana satria zara raha misy 40% no tonga any, dia raharaham-panjakana izany tsy misy hidiranay. Raha izay tokoa anefa ny zava-misy dia tokony hofanina ireo ka raha 40% mety ho tonga 60%, 80%,… fa tsy hoe : hosoloina orinasa tsy miankina ny mpitaky haba. Manahy ny mpivarotra fa hiteraka fanakorontanana ny rafitra efa napetraka momba ny fitantanana ny tsena ihany koa ny fanomezam-pahefana ny SMGD. Efa nisy ihany koa ny fanisana mpivarotra amin’ny toerana sasany saingy tsy ny delegen’ny tsena no manao azy fa izany Fikambanana tsy miankina antsoina hoe : « Mikajy » izany, ka mbola ahianay ho làlana mitondra any amin’ny fanomezana ny tsy miankina na “privatisation” ny tsena ihany koa io, hoy ny fanambarana. Nanitrikitrika izy ireo fa iainkinan’ny ainy, ary mamelona olona maro ny tsena ka tsy tokony homena hotantanin’ny tsy miankina, ankoatra ny haba izay tsy tokony ho ny Fanjakana ihany no mandray azy. Niara-niredona ny hoe : « tsy ekena » ireo mpivarotra, ary naneho fa vonon-kijoro hatramin’ny farany. Ahiana hitroatra noho izany ireo mpivarotra izay isan’ny natao fitaovana tamin’ny propagandy, saingy mahatsiaro ho lasibatra ankehitriny.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap
22-avril-2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Card image cap
19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap