airtel

Sosialy

23-juin-2021

Sosialy

Antananarivo Delestazy manara-penitra omaly

Sample post image

Maizin-kitroka ny tanàna saika nanerana Antananarivo omaly teo anelanelan’ny tamin’ny 9ora ka hatramin’ny 10 ora alina, nisy mbola taorian’izay aza vao tafaverina ny herinaratra. Ny nihoatra an’izay tsy ferana.

23-juin-2021

 Zary vazivazy sisa ny hoe “delestazy manara-penitra”. Ny fahasimban-javatra aterany efa tsy resahina intsony. Tany ho any amin’ny tamin’ny 10 ora alina no namoaka fampahafantarana ny Jirama, fa noho ny tsy fahatomombanan’ny “transformateur” tany Andekaleka no niteraka ny fahatapahana ho an’ny tambajotra mampifandray amin’Antananarivo na ny RIA. Nambara fa miverina tsikelikely ny jiro. Tsy varatra mipoaka, tsy orana avy, tsy hoe ritra sy main-tany tanteraka,… fa misy foana ny olana sy ny delestazy. Nenjehina tamin’ny resaka telo volana Atoa Rajaonarimampianina fa moa manao ahoana ny amin’izao? Ho bedy sy homena fe-potoana indray angamba ny Talen’ny Jirama, saingy ny eo ihany no eo.

Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap