airtel

Sosialy

07-févr-2024

Antananarivo renivohitra

« Laharam-pahamehana ny famahana ny olan’ny rano sy herinaratra »

Sample post image

Ireto no laharam-pahamehana amiko ho an’ireo izay te ho ben’ny tanànan’Antananarivo

07-févr-2024

renivohitra, hoy ny mpisehatra anaty fiarahamonim-pirenena, Erico Randriarimalala, ary tsy maninona na ho alain’ireo kandida. Vahana ny olan'ny rano ka hiarahana amin'ny ministeran'ny rano, hoy izy. Toy izay koa ny herin'aratra miaraka amin'ny ministeran'ny angovo. Fehezina ny fako ary arindra isan-tokantrano sy isam-pokontany ny fanangonana sy fandraofana izany hatreny Andralanitra. Tsy maintsy vahana ireo olana amin'ny lakan-drano ho fiarovana ny mponina, indrindra, ireo ambany tanàna. Atao izay hanafoanana ny loto mikoriana amin'ny lakan-drano. Arindra sy alamina ary hajariana ny fotodrafitr'asa vaovao hialana amin'ny tohamboivoy. Apetraka ny politika ho fanajariana amin'ireo fananganana vaovao ary fikolokolona ireo efa voajary hanome endrika mahafinaritra ny tanàna, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique