Tsy ireo hita eny an-dalambe samihafa ihany, fa miharihary izany amin’ny fahamaroan’ireo tsy menatra intsony miara-mirohotra milahatra amin’ireny teratany vahiny toy ny mpandraharaha karana ireny, izay matetika manokana fotoana hizarana vola amin’ireo olona sokajiana ho sahirana. Rehefa alakamisy na zoma no ahitana an’io, toy ny etsy Sonierana, amin’iny làlana eny Alarobia iny. Tsy tena hoe: volabe mahavita inona fa 200 hatramin’ny 500Ar na 1000Ar raha be indrindra isan’olona, saingy mirohotra ireo fianankaviana sahirana na kely na lehibe. Noana ny olona, sahirana, ka tena miantsampy amin’izay mety hahazoany hiviny ary tonga amin’ilay fitenenenana hoe: “sitrany ahay vaza-mihetsika”. Mitombo isa ny olona torana na sanatria maty an-dàlana izay heverina fa mety ho vokatry ny fahantrana, tsy fisian’ny hanin-kohanina, tsy fahasalamana tsy voatsabo noho ny tsy fananam-bola,… Betsaka ny olona mitolefika tampoka eny an-dalana sy any anelakelan-trano any. Ahatarafana ny fahasahiranan’ny olona ihany koa ny fitondrana razana amin’ireny sarety tarihin-tànana ireny, ary miara-manaraka avy aoriana ny fianankaviana. Ekena fa mety hoe: tsy mifanalavitra ny toerana nahafaty azy na ny hopitaly, saingy tsy dia fahita firy ny fitondrana razana amin’ny sarety hoenti-tànana izany, saingy efa ahitana izany eto an-drenivohitra ankehitriny satria mety tsy mahavita manofa fiara ka aleo tsy hasarotina fa miaina amin’ny zava-misy. Endriky ny fahantrana sy ny fahasahiranana avokoa izany rehetra izany, manginy fotsiny ny fidangan’ny vidim-piainana izay efa tsy vaovao intsony, saingy tsy tena manam-bahaolana ireo nametrahan’ny vahoaka fanantenana hijery ny manjo azy. Ho avy indray ny fifidianana, handeha ny fanambatambazana zavatra na hanina tsy mahavita taona, hodomina tapany handoa erany ny olona,… satria mahantra sy noana. Dia mbola hararaotina hatrany amin’ny fahalemeny ve ny Malagasy amin’izao efa zava-manjo azy izao?
Toky R
Fihemorana fa tsy fandrosoana no hita eto Antananarivo, ary miseho amin’ny endriny maro.
Efa niresaka aho fa raha vao tsy ampy «empathie» na fahaizana mipetraka amin’ny toeran’ny
Ny 37 % -n’ny ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no fantatra amin’izao fa miasa mamelona
Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olona tsirairay avy.