airtel

Sosialy

05-janv-2024

Antananarivo Renivohitra

Niakatra hatrany amin’ny 10% ny hofan-trano

Sample post image

Miakatra hatrany ny hofantrano isan-taona indrindra fa amin’izao fiandohan’ny

05-janv-2024

taona vaovao izao ho antsika eto an-drenivohitra. Manodidina ny 10% izany fiakarany izany raha araka ny fantatra ka 100.000 Ar no mora indrindra. Tsy misy afa-tsy efitranokely iray, misy jiro fa tsy misy rano ary trano fivoahana sy fidiovana izany. Lasa mitady hofantrano mora avokoa ny ankamaroan’ny olona noho izany. Raha nisy tamin’ireo tokantrano Malagasy no mbola mahavita nandoa hofantrano hatrany amin’ny 400.000 Ar teo aloha dia lasa mitady hofantrano 200.000 Ar ankehitriny. Ireo mpitady trano mora indray no betsaka amin’izao noho izany noho ireo mpividy tany. Tsy misy afa-tsy karana sy Sinoa mantsy sisa no manam-bola hividianana tany eto an-drenivohitra sy ny manodidina raha araka ny fanadihadiana natao hatrany.
Nangonin’i Pati
Sary fanehoana : Midangana ny hofantrano eto an-drenivohitra amin’izao !

 

Dans la même rubrique