airtel

Sosialy

14-juin-2022

Sosialy

Antananarivo Renivohitra Tanàn-dehibe maloto indrindra aty Afrika

Sample post image

Voasokajy ho tanàn-dehibe voalohany maloto indrindra aty Afrika i Antananarivo, ary fahatelo maneran-tany, araka ny fanasokajiana mivoaka amin’izao fotoana izao. Mitana ny laharana faharoa aty Afrika

14-juin-2022

kosa i Addis-Abeba Renivohitr’i Ethiopie, raha toa ka faha 6 no misy azy maneran-tany, i Brazzaville Renivohitr’i Congo kosa ny fahatelo, ary faha-10 izy maneran-tany. Ireo telo voalohany maneran-tany amin’ny loto, dia i Baku any Azerbaidjan, Dhaka any Bangladesh, ary Antananarivo Renivohitr’i Gasikara. Midika io fa tena ratsy tantana sy voretra tanteraka ny Renivohitr’i Madagasikara. Tsy finiavana hitsikera na hitanisa ny zava-dratsy na hanaratsy hatrany ny firenena, fa tsy maintsy lazaina ny zava-misy mba ho fanairana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny vahoaka amin’ny andraikitra tandrify azy avy. Raha hampifandraisina amin’ny politika, isan’ny natao fitaovana nanenjehana ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny resaka loto teto Antananarivo. Niniana natao fahirano Antananarivo ka tsy nomena ny vola tokony fanampiana efa voafaritra fa tokony ho azony noho ny sata manokana ananany, natao izay hahasahirana ny mpitantana nahafahana nanenjika azy. Natao avy eo tetikady rehetra hahalany ny kandidan’ny fitondrana ka nametrahana an’Atoa Naina Andriantsitohaina ho ben’ny tanàna taorian’izay. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mihitsy no nitanisa ireo lesoka toy ny toerana maimbo eo Analakely 24ora nialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny novambra 2019. Nolazaina fa hahazo 11 miliara Ar isan-taona Antananarivo. Novoizina tamin’izany fotoana izany moa fa hoe: hafa ihany ary mety kokoa raha olona mitovo loko sy fianankaviana politika amin’ny Fanjakana foibe no fidiana ho ben’ny tanàna. Telo taona aty aoriana isika fa moa tena nanova ny zava-misy ve ny fitoviana loko politika? Mbola holazaina fa ny coronavirus sy ny ady any Ukraine no mampikorontana sy maha tototry ny loto eto Antananarivo? Na izany na tsy izany, manana andraikitra amin’ny fitandroana ny fahadiovana ihany koa ny mponina eo anatrehan’ny zava-misy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap