airtel

Sosialy

28-janv-2021

Sosialy

Antananarivo sy ny manodidina Hanaovana lava-drano maro be

Sample post image

Hanao lava-drano ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny rano sy ny

28-janv-2021

 

 

 

 

Jirama mba hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina, araka ny fampanantenana voarakitra ao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly 27 janoary. Madiva hifarana ny fanadihadiana ara-teknika, ary hanomboka amin’io herinandro io ny fametrahana ireo lava-drano rehetra manerana an’Antananarivo sy ireo faritra saro-drano, ka ahitana “nappe phréatique” ahafahana mamatsy ireny toerana ireny. Hidiovana, hanasan-damba sy handrahoana sakafo ny rano azo, ary mila ampangotrahina vao azo sotroina, hoy ny tatitra. Miandry an’io fandavahana sy fitsanganan’ny lava-drano io aloha izany ny rehetra satria tena efa mampikolay ny tsy fahampian’ny rano sy ny fahatapahana efa ho lava.

Toky R

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Firenena manana taha ambony dia ambony amin’ny trangana tsy fahampian-tsakafo aty

Card image cap