airtel

Sosialy

08-avril-2024

ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA

Mitombo ireo zokiolona lasa mpangataka

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo zokiolona tazana mangataka eny amoron-dalana

08-avril-2024

eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Saika manodidina ny 60 taona miakatra avokoa izy ireo ka vehivavy ny ankamaroany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’i Dadazily anisan’ireo zokiolona tsy manam-piahy eto amintsika dia efa 3 taona izy izao no narian’ny zanany. Raim-pianakaviana niteraka 3 izy ary efa maty vady. Nanofa trano hatrany izy hatramin’izay raha araka ny fanazavany ary nivarobarotra sakafo masaka no mba asan’izy mivady. Ankehitriny anefa tsy eo intsony io vadiny io, ny tenany ihany koa efa 80 taona mahery ka tsy manana hery entiny mamelon-tena intsony izy. Ireo zanany rahateo efa samy manana ny tokantranony avokoa hoy hatrany ny fanazavany. Nisy fotoana aho mba nipetraka tany amin’ny ankizy ihany fa tsy misy mahazaka hoy Dadazily. Tsapako ho nanakorontana ny tokantranon’izy ireo ny fisiako ka naleoko mangataka ety amoron-dalana sisa. Rehefa manina azy ireo aho dia mamangy ihany raha vitako dia an-tongotra ny lalana. Nambaran’i Dadazily hatrany fa rehefa marary izy dia mandeha miangavy ireo olom-pantany na mangataka hatrany mba hividianany fanafody. Rehefa fety kosa dia mihainohaino eny rehetra eny satria tsy zakan-kavana ihany koa. Nomarihiny moa fa tsy fitiavana tsy akory no antony nanarian-janany azy fa vokatry ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny mihitsy. Ny fanjakana hoy izy no tokony hanome tantsoroka ho an’ny zokiolona mba tsy ho vesatra ho an’ny fiaraha-monina tahaka ahy izy ireny eny fa na dia trano hatoriana fotsiny ihany aza.
Pati
Legende : Dadazily efa 3 taona narian’ny zanany izao !
 

Dans la même rubrique