airtel

Sosialy

11-janv-2022

Sosialy

Antananarivo sy ny manodidina Vao miha niha mafy ny delestazy

Sample post image

Hitombo hatramin'ny 128MW ny herinaratra ho vokarina ao Andekaleka raha nanodidina ny 90 MW izany teo aloha. Hiampy iray ireo milina mpanodina herinaratra ka ho lasa 4.

11-janv-2022

Izay raha fintinina ny akon’ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tany Andekaleka omaly. Ankoatran’izay moa dia isan’ny tatitr’ireo mpanaradia azy tao anaty tambazotran-tserasera ny hoe mafy ny tsindry na “pression” apetraky ny filoha amin’ireo miasa ao amin’ity ivon-toerana isan’ny mpaninjara herinaratra eto Madagasikara ity. Asa hoe dia karazana “pression” nanao ahoana loatra izany no nataony tao fa dia vokany aloha dia saika tapaka avokoa ny jiro teto Andrenivohitra sy ny manodidina nanodidina ny tamin’ny 5 ora sy 25 minitra hariva teny. Tsy niverina izany raha tsy tany ho any amin’ny 9 ora alina tany ho any. Ny tany alasora aza moa velon-taraina fa efa ho tapak’andro tsy nisy herinaratra. Raha ny vinavina fahatapahan-jiro nampahafantarin’ny JIRAMA ho an’ny omaly anefa dia Ambodivona, Antanimena, Ankadifotsy, Behoririka, Vassacos, Ankazomanga, Andraharo, Anosivavaka, Ampasika, Bemasoandro, Ambaniala, Ambanilalana, Ambodifasika, Itaosy, Ambavahaditokana, Vinany, Ambohimamory, Ampitatafika no tokony ho tratran’izay fahatapahan-jiro izay nanomboka tamin’ny 5 ora sy 45 minitra hatramin’ny 8 ora alina. Tsy nijanona tamin’ireo ihany anefa no niharan’izany, raha ny fampitam-baovao hatrany, fa isan’ny nizaka izany koa ny ankamaroan’ireo fokontany teny amin’iny boriboritany faha 5 iny toy ny teny Ambohidahy Ankadindramamy sy Ambatomainty ary Amboditsiry sy ny teny amin’ny boriboritany faha 3 manodidina an’Ambohitrakely. Hita ho miha tsy voafehy hatrany ny toe-draharaha ary mampametra-panontaniana hoe misy ifandraisany tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena ve izany sa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany fa dia vao mainka aloha izany niha mafy iny ny delestazy arakaraky ny nidinany tany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap