airtel

Sosialy

14-oct-2022

Sosialy

Antanimalandy, Mahajanga I Narian-dReniny ilay zaza menavava

Sample post image

Zaza menavava iray fantatra fa lahikely ary manodidina ny 3 volana eo ho eo no narian-dreniny tao amin'ny fokontany Antanimalandy, kaominina sy distrikan’i Mahajanga I omaly maraina.

14-oct-2022

Teo akaikin'ny toby fiantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka zotra faha-7 no nametrahan’ilay Reniny io zaza tsy manan-tsiny io taman’olona. Nilaza fa handeha hamonjy toeram-pivoahana ilay Reniny raha araka ny loharanom-baovao azo kinanjo tsy niverina intsony. Ramatoa iray tsy nanam-po na inona na inona no nametrahany ilay zaza ka voatery nampandre ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehefa tsy niverina elaela ilay Reniny. Efa tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana saingy mbola tsy hita ny Renin’ilay zaza hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza sy ilay Vehivavy nametrahan-dReniny azy
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.

Card image cap
21-sept-2023

Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.

Card image cap