airtel

Sosialy

28-déc-2021

Sosialy

ANTOHOMADINIKA 4 andro tsy nandeha ny rano

Sample post image

4 andro tsy nandeha ny rano fisotro madio tao Antohomadinika, kaominina Antananarivo renivohitra. Vokatry ny fahatapahana avy amin’ny JIRAMA no nambaran’ireo mponina fa antony mahatonga izany

28-déc-2021

 izay tena mampitaraina fatratra azy ireo. Nambaran’ny Renim-pianakaviana iray fa raha mahavita maka ranon’olona 50 bidons amin’ny 20 litatra miloko mavo isan’andro ny tenany ho ana tokantrano miisa 3 teo aloharehefa tena mandeha ny rano dia tsy mahita afa-tsy 10 bidon sisa ankehitriny. Misy fiantraikany amin’ny asa famelomako ny ankohonako izany hoy hatrany izy satria mihena ihany koa ny vola miditra. Raha hahazoany 5.000 Ar isan’andro mantsy io 50 bidons io dia tsy mahita afa-tsy 1.000 Ar isan’andro izy sisa ankehitriny izay zara raha mahazo vary roa kapoaka. Velon-taraina ireo olona mivelona amin’ny asa fitaoman-drano ao Antohomadinika noho izany. Ho an’ireo tokantrano hafa kosa dia miantso ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana izy ireo fa mahatsiaro ho tena mijaly sy sahirana amin’ny filaharan-drano manomboka amin’ny 01 ora maraina isan’andro.
Pati
Legende : Hifampitadiavana ny rano fisotro madio ao Antohomadinika !
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap