airtel

Sosialy

12-avril-2022

Sosialy

Antoko Humaniste Ecologique Avereno ny volan ny beantitra nalain ny CUA

Sample post image

Resabe ny resa-bola 11 miliara Ar an’ny CNaPS. Rehefa nijery ny kaontinn’ny Kaominina 2021 dia nisy 12 miliara tavela.

12-avril-2022

 Isan’ny nimatimantesan’ny ben’ny tanàna ny fanesorana ny Easy Park. Nahazo 10 miliara Ar tamin’ny FDL (Fond de Développement Local), ka tokony tamin’izany no nandoavana ny Easy Park, raha tena nila vola, fa tsy ny volan’ny beantitra tao amin’ny CNaPS no nalaina, hoy ny Antoko Humaniste Écologique na Hasin’ny Olombelona sy ny Ekolojia misy ireo mpanolontsaina kaominaly Komba dia i Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo Ravelonahina. Ny 12 miliara Ar tokony hamerenana ny volan’ny CNaPS. Tany amin’ny zaridaina sy ny zavatra hafa izay tsy laharam-pahamehana no nandaniana ny vola, hoy ny fanamarihana. Raha toa ka tsy misy ny fampidirana ny “subvention speciale” tamin’ny volan’ny CNaPS dia hanao tsia amin’ny fandaniana ny tetibola ny mpanolontsaina KOMBA. Mikasika ny “compte adminisitratif”, dia efa nangataka ny hanoratana ao anatin’ny tetibola momba ireo orinasa ambara fa an’ny kaominina. Tokony hisy sora-bola miditra noho ny fampidirana ireo orinasa ireo, hoy hatrany ny fanambarana.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap