Ny kalitaon’ny tolotra ratsy. Ny faktiora nefa midangana. Tena tsy fantatry ny fanjakana ve ny olana sa iniana potehina ilay orinasa mba ahafahana mivarotra azy amin’ny vidiny farany mora na «Franc symbolique» toy ny natao tamin’ny Air Mad, ohatra? Nanapaka ny famatsiana ny JIRAMA ny JOVENA satria be ny vola tsy voaloha. Inona moa izany no iandrasantsika famatsiana menaka mavesatra avy any ivelany toy izany nefa i Tsimiroro eo? Inona no sakana tsy ampiasana an’io? Tamin’ny repoblika faharoa nisy ny atao hoe PAS na «Programme d’ajustement structurelle». Be dia be ny lisitry ny orinasam-panjakana nampidirina tanatin’io mba hisintahan’ny fanjakana na hoe «privatisation». Tao ny JIRAMA sy Air Mad fa ireo izany sisa tsy vita. Vita tamin’ity fitondrana ity ny fisintahana tamin’ny orinasa Air Madagascar. Lasa Madagascar Airlines izy iny fa ny JIRAMA sisa miaina an-tenda kely eo. Tsy azo ekena ny toe-javatra toy izany satria fatiantoka no nateraky ny «privatisation». Sanatria ve misy kopaka isasahana amin’ny mpitondra fanjakana sy ireo kaompanian-tsolika vahiny isan’ny mpamatsy menaka mavesatra ny orinasa JIRAMA ireo? Anaty vondrona Axian izay manao fampiasam-bola na «investissement» be amin’ny resaka angovo eto Madagasikara ny JOVENA. Ny Tozzi green izay mpamokatra angovo sy herinaratra eto amintsika koa sy ny Henri Fraise izay mpamatsy «groupes électrogènes» na fanolo herinaratra ny JIRAMA dia azo heverina fa isan’ny miandry fotsiny ny fahapotehan’io orinasa io mba hahafahany mividy azy mora. Nametraka ny JOVENA fa tsy olana na tsy voalohan’ny JIRAMA aza ny trosany fa soloina anjara na «action» ho azy ao amin’ny JIRAMA izany. Vahaolana efa misy ny Tsimiroro izay efa misy orinasa ao Vakinankaratra efa nividy azy. Isan’ny kalitao tsara indrindra eto ambonin’ny tany ny menaka mavesatr’i Tsimiroro. Sao dia misy politika maloto ao hoe ho tazomina ho mpanondrana fotsiny tahaka ny atao amin’ireo vokatra hafa fotsiny isika? Avokavoky ny toekarena ny angovo ka hanentanana ny fanjakana hoe avoty aingana! Ny frantsay aza izao efa mamerina ny adihevitra ny amin’ny tokony hamerenana ho tantanan’ny fanjakana ny resaka angovo. Isika anefa ity mitady hivarotra ka tsy azo ekena izany. Nanana ny BTM na Bankin’ny tantsaha mpamokatra isika taloha. Teren’ny mpamatsy vola isika hivarotra ny fananantsika amin’ny tsy miankina nefa ny ankamaroan’ny banky eto izao ny fanjakana frantsay no tao ambadiky ny fividianana azy. Mba mila jerentsika izany, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona