airtel

Sosialy

01-sept-2021

Sosialy

Arabie Saoudite Misy Malagasy miantso vonjy…

Sample post image

Efa andro vitsivitsy izao no niparitaka ny horonan-tsary nataona vehivavy Malagasy any Arabie Saoudite. Niasa tany amin’ity firenena Arabo ity izy ireo,

01-sept-2021

 saingy milaza fa efa 5 volana izao no migadra amina toerana manokana tsy afaka mivoaka. Miantso vonjy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny mba ahafahan’izy ireo mody an-tanindrazana. Mangataka izy ireo ny hanokafana ny sidina ahafahana afahana mody an-tanindrazana satria tena mijaly. Tsy nisy niseho moa ny endrik’ireto vehivavy Malagasy ireto, fa nisarona ireny fitafiana mainty fanaon’ny arabo manakona ny any an-tampon-doha ka hatrany an-kitrokely ireny. Miteny Malagasy mazava tsara kosa, izay tsy hihambahambana fa teratany Malagasy tokoa ireto mitaraina ireto. Mbola misy hatrany izany ireo vehivavy Malagasy iharan’ny antsojay any amin’ny tany arabo na efa maro aza ny lasibatra, nisy hatramin’ny famoizana ain’olona. Matetika efa tonga any vao maro ny antso vonjy. Inona no andraikir’ireo “agence” nandefa azy ireny nankany ? Moa tsy efa nisy fandrarana navoaka amin’ny tsy fahafahana mandefa mpiasa any amin’ireo tany sokajiana ho tsy manaja zon’olombelona ve? Mila mandinika tsarairay ary ekena fa ny fitadiavana mahazaka maniraka tokoa, saingy raha samy hijaly sy ho sahirana ihany aleo mijaly an-tanindrazana akaiky ny havana aman-tsakaiza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap