airtel

Sosialy

09-janv-2024

Ariary mitotongana

Miha tsapa eny amin’ny fiarahamonina

Sample post image

Raha ny tahabola omaly aloha izany no resahina dia mira 5 014,22 Ariary

09-janv-2024

ny vola eoropeanina na Euro iray, izany hoe ilay vola vy kely dia kely misy soratra hoe 1 Euro iny. Mbola vola vy kely toy izany koa ny 2 Euro saingy efa tsy mahatohitra ny lanjany intsony koa izany tato anatin’ny andro maromaro izay ilay lelavola miloko mavo misy soratra hoe 10.000 Ariary iny. Miha tsapa eny amin’ny fiarahamonina ity Ariary mitotongana ity amin’izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivarotra enta-madinika hatramin’ireo mpivarotra amoron-dalana. Manomboka tsy mahazo na inona na inona intsony izany 100 Ariary na 200 Ariary mandeha irery izany, hoy ny fanazavana. Ny sira vovony aza izao efa 300 Ariary ny iray fonosana, hoy ihany ireo mpivarotra enta-madinika na “épicerie”.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique