airtel

Sosialy

05-août-2021

Sosialy

Arina fandrehitra Ny hetra alaina no tena mampikolay ireo mpaka any am-potony

Sample post image

Tena nampikolay ny rehetra, indrindra fa ho an’ireo tokantrano mampiasa arina fandrehitra tato anatin’ny andro maromaro izao ny fidangan’ny vidin’ity akora ilaina amin’ny fandrahoan-tsakafo ity eny an-tsena.

05-août-2021


 Tafakatra 55.000 Ar mantsy ny iray gony lehibe ho an’ny teto an-drenivohitra raha novidiana 26.000 Ar izany teo aloha. Tsy fotoam-pahavaratra anefa izao ka mety hahatapaka ny lalana hakana azy ireny na koa misy orana ka mety hamono ny afo hanamboarana ny arina fandrehitra. Ekena fa misy ireo lalana ratsy saingy na izany aza tsy tokony hisy kosa ny fanararaotana mihoampampana tahaka izany. Rehefa nanontaniana ireo mpanao arina fandrehitra any am-potony dia fantatra fa mamatsy arina fandrehitra ara-dalana toy ny mahazatra hatrany izy ireo. Olana kosa anefa ny fidangan’ny hetra alaina amin’izy ireo indrindra fa ny eny an-dalana na ilay antsoina hoe : ristourne. Tsy avy aminay kosa hoy izy ireo ny hataon’ ireo mpijirika rehefa tonga ny entana na ilay antsoina hoe : mpanera. Na izany aza anefa dia tsy tokony hidanganabe tahaka izany kosa ny vidin’ny arina fandrehitra . Rehefa nanontaniana kosa anefa ny mpivarotra arina fandrehitra iray teto an-drenivohitra dia nambarany fa mba miaka-bidy ihany koa hono ny saribao rehefa miaka-bidy ny kojakoja ilaina rehetra amin’ny fiainana andavanandro. Dia tsy hisy intsony araka izany ny fifampitsinjovana eo amin’ny samy mpiara-belona raha tahaka izany avokoa no toe-tsaina ho enti-miatrika ity fiainana efa tena sarotra ity.
Pati

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap