Nantelin’ny fahafatesana rehefa tojo tsy fahasalamana ka nanaraka fitsaboana, saingy izao nitondra azy any amin’ny vary tsy mifody izao. Mpanao gazety feno tanteraka izy satria efa niasa tamin’ny fahitalavitra sy onjam-peo ary gazety an-tsoratra. Nanovo fianarana sy namarana izany tany Allemagne ny tenany, ary nanomboka nisehatra tamin’ny asa fanaovan-gazety tao amin’ny BBC tany amin’ny taona 1980, efa niasa tao ao amin’ny RNM , Tribune, Courrier de Madagascar, Télévision RECORD, JDM. Nanampy tamin'ny fanoratana tao amin'ny gazety hafa toy ny L’Observateur, Madagascar Matin sy ny RVS, gazety Sagesse Al Hikmat, Gazety Mahita ary farany teo dia ny gazety Les Nouvelles. Olona tsotra sy be vazivazy no ahalalan’ny rehetra azy, ary tena nizara zavatra betsaka tamin’ireo zandry zanaka amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Ny alarobia 26 oktobra izaon amin’ny 12 ora atoandro aorian’ny fotoam-pivavahana hanomezam-boninahitra an’Andrimanitra no hiala eny amin’ny toeram-ponenany eny Tsarafara Sabotsy namehana ny nofo mangatsiakany, ary halevina eny amin’ny fasan-drazany Ambatofotsy Sabotsy Namehana ihany. Miombona alahelo, ary mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy