airtel

Sosialy

30-mai-2023

Sosialy

Asa indray izay hitranga Efa miresadresaka vidin-tsolika ny fanjakana…

Sample post image

Nohamafisin’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo ny herinandro lasa teo nandritra ny tatitra teo anatrehan’ny antenimierampirenena fa hihatra amin’ny taona 2024 ny pitsopitsony mikasika ny fikajiana ny vidin-tsolika.

30-mai-2023

Efa nisy ny fifampidinihana teo amin’ny fanjakana sy ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) mikasika ny hampiharana ny vidiny tena izy (vérité des prix) na ny fametrahana ny fomba fikajiana sy fanintsiana mandeha ho azy amin’ny vidin-tsolika manomboka ny telo volana voaloan’ny taona 2024. Isan’ny fepetra amin’ny fisitrahana ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) andiany faha-4 mitentina 32 tapitrisa dolara rahateo ny resaka vidin-tsolika satria hatry ny ela no nitakian’izy ireo ny hampihenana sy hanafoanana tsikelikely ny “subvention” mba hifehezana ny vidin-tsolika. Nolazaina fa tokony hifanaraka amin’ny vidiny hividianana azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vidin-tsolika ho hita eny amin’nyy mpaninjara. Ny fiovaovan’ny vidin-tsolika dia ho taratry ny fiovan’ny vidin’ny barila eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Na izany aza, nilaza ny Minisitry ny angovo sy akoran’afo fa ny mety ho fiovan’ny vidin’ny barila dia tsy midika fa tsy maintsy midina ihany koa ny eto satria ny vidiny eto Madagasikara dia tafiditra ao anatiny ny resaka fitaterana azy. Ankehitriny, midina ny vidin’ny barila, saingy miakatra kosa ny fitaterana. Nambara ihany koa fa efa nifarana ny antso tolo-bidy na “appel d’offres” mikasika ny fanafarana solika ho an’ny enim-bolana faharoan’ny taona 2023 sy ny enim-bolana voalohan’ny taona 2024. 69,44 dolara/TM (tone métrique) ny saran’ny fitaterana raha toa ka 104 dollars/TM tamin’ny fotoana namoahana ny antso tolo-bidy. Ny taona 2022 dia voalaza fa 45 dolara/TM, raha ny nambaran’io Minisitra io. Rah any fanazavana dia tena ambony ny risika hiakaran’ny vidin-tsolika, raha vantany vao lany ny solika novidiana tamin’ny teo aloha noho ny fiakaran’ny saran’ny fitaterana. Voalaza fa efa manakaiky ny vidiny tena izy io ankehitriny io, ary tsy misy afa-tsy 50Ar eo ny elanelany. Nilaza ho efa nitaky ny tamberiny avy amin’ny vidin-tsolika na “redevance pétrolière” ny Fanjakana, ka nahatratra 240Ar io, izay nolazaina fa hanomezana aina ny kaontin’ny FR (Fonds routier). Efa nampikaikaika ny Malagasy ilay fiakarana nidangana be nanomboka ny 11 jolay 2022 satria 1800Ar sy 1500Ar isiky ny litatra ny fiakarana teo amin’ny lasantsy sy gazoala. Fepetra noraisin’ny Fanjakana mba hampihenana ny fahasahiranam-bahoaka ny resaka fanondrotan-karama, saingy poakaty avy eo. Na ilay karama farany ambany nofaritana fa 250000Ar aza tsy tanteraka satria tsy voahefan’ny Fanjakana ny elanelana 12 000Ar tokony haloany amin’ny tsy miankina. Voalaza fa 40 miliara Ar no naompana amin’io tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2022 saingy aiza izany izao? Vao miakatra ny solika dia miakatra ny zava-drehetra, ny làlana rahateo potika noho ny tsy fikojakojan’ny Fanjakana ny ankamaroany,… Vao hiandoha izany ny taona 2024 dia efa mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika ny hanamarika azy. Irariana ny tsy hisian’ny krizy politika mety hanampy trotraka izany fa tena vizana eto ny Malagasy!
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.

Card image cap