airtel

Sosialy

08-oct-2021

Sosialy

Asa mendrika sy maharitra Mbola lavitra izany i Madagasikara

Sample post image

Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny asa mendrika sy asa maharitra tetsy amin’ny biraony etsy Anjanahary omaly ny avy eo anivon’ny Firaisamben’ny sendika Malagasy revolisionera na FISEMARE.

08-oct-2021

 Tsy afa-misaraka izany asa mendrika sy maharitra izany, hoy izy ireo. Feno ny fepetra maha asa mendrika rehefa mipetraka ireto dia ny karama mahavelona, fiahiana ara-tsosialy, fiahiana ara-pahasalamana sy ny ambiny rehetra. Efa ela ny birao sy fandaminana iraisampirenena momba ny asa no nivoy izany. Mbola lavitra izany I Madagasikara satria betsaka ny tsy an’asa. Tsy manana politika mazava hahatongana amin’izany amin’ny alalan’ny minisitera mpiahy ny fitondram-panjakana. Isan’ny fomba iray hahatongavana amin’izany anefa, raha tiana ny ho tonga any, ny fanamboarana ny sata mifehy ny asa. Tsy ho tratra ny asa mendrika raha tsy ampanjakana ny dinika sosialy. Ny olana miverimberina matetika dia mbola tsy hita hoe tena mahavaha azy ve ny fanovana natao? Ny sata mifehy ny asa teo aloha tsy ratsy fa tsy nisy fampiharana. Tokony hisy atrikasa nasionaly ho karakarain’ny fanjakana handraisan’ny rehetra anjara mba tsy ho hevitry ny vitsy an’isa no hamolavolana ny sata vaovao mifehy ny asa Malagasy, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap