airtel

Sosialy

12-févr-2024

Asa sosialin’ny depiote Todisoa

Hanomboka ny 02 martsa ny fanofanana teny anglisy

Sample post image

Raikitra ny adiany manaraka amin’ny fampiarana teny anglisy maimaimpoana

12-févr-2024

ho an’ny tanoran’Ambohimanarina karakarain’ny depiote Todisoa Andriamampandry voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Hanomboka ny 02 martsa ho avy izao amin’ny 9ora maraina izany, ka nisokatra nanomboka ny sabotsy teo hatramin’ny 29 febroary ny fisoratana anarana ho an’izay liana amin’izany. Haharitra 9 volana ny faharetan’ny fampianarana ka tsy hiantohan’io olom-boafidy io avokoa ny rehetra, hatramin’ny « polycopes » ampiasaina amin’izany. Efa tanora maro no nisitraka fampiofana satria efa andiany faha-5 ity hiditra amin’ny 2 martsa 2024 ity. Isan’ireo tenim-pirenena ilaina amin’ny sehatra rehetra ny teny anglisy, indrindra fa amin’ny lafiny arak’asa, ka antony hanomezana tan-tsoroka manokana ho an’ny tanoran’Ambohimanarina fari-piadidiany. Ny tenany izay mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo ankoatra ny maha solombavambahoaka azy, ka manamafy hatrany an’ilay hoe : «Ny Fianarana no lova tsara indrindra ». Ao amin’ny Biraon’ny Association Ny Andraina ao Ambatolampy no hanatanterahana ny fanofanana, ka ho an’ireo izay liana amin’izany dia afaka miantso ny laharana 034 64 449 80, 034 89 023 55, 034 42 134 64, 034 36 417 05. Ampahany amin’ny karazana asa sosialy ataon’ny Depiote Todisoa Andriamampandry io, fa samy mahazo izay tandrify azy avokoa amin’ny ankampobeny ny rehetra.
Toky R
Tahirin-tsary
 

Dans la même rubrique