amin’ny Fokontanin’Ambohimiarina anatin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo ny rantsan’ny Antoko TIM eny an-toerana. Tonga nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny lakana hahafahana miampita ny reniranon’Andromba ireo lohan’ny mpisorona anatin’ny TIM notarihin’Atoa Mendrika Rasolonirina mivady omaly alahady, ka tamim-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka azy ireo. Efa hetahetan’ny mponina hatramin’izay ity satria nisy nangalatra ny lakana fampiasa, kanefa tena ilain’ny tantsaha, ny mpianatra, mpiantsena, olon-tsotra,... Ampahany ihany tamin’ny asa sosialy natao sy mbola hatao io raha ny nambaran’Atoa Mendrika Rasolonirina satria efa nisy ny fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fokontany 5. Anisan’ny nisitraka manokana ny fokontany Merinarivo satria tsy dia milamina ny fandriampahalemana, efa nisy dahalo nanafika, ka nangataka ny fametrahana izay jiro izay ny vahoaka. Teo ihany koa ny hetsika ara-panatanjahantena nitezana ny tanora tsy hidonanam-poana, nanolorana amboara samihafa tahaka ny ondry, maillots, baolina,… nanampiana ny tanora. Ny tanora tao amin’ny fokontany Ambohimiarina no nibata ny amboara lehibe tamin’ny baolina kitra. Tao ihany koa ny fizarana « Kits scolaires » toy ny tao Atsimonkady, izay nentina nanampiana ny Raiamandren’ny mpianatra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao,…. « Natao daholo izany rehetra izany mba hoentintsika ho fampandrosoana ity kaominina Malalantsika ity. Ho avy ny fotoana, manao politika isika, ary rehefa manao politika dia tafiditra ao anatin’izany ny fakana fahefana hahafahana mampandroso ny tanàna. Tsy mandray seza ka hanaonao foana, fa hanao izay azo hatao rehetra ho fanampiana ny vahoaka, ny tantsaha,… Vonona hifampiresaka ary mivoha midanadana ho antsika rehetra ny varavarana eto amin’ity kaominina ity. Ianareo tokinay, ary izahay mendrika ho anareo », hoy Atoa Mendrika Rasolonirina. Ity farany izay miantso ny fifanomeza-tanana sy firaisankina amin’ny ankolafy maro loko izay misy na inona na inona firehany. Fankasitrahana sy fitsofan-drano ho todisoa amin’ny tanjona kasaina kasaina kosa no nasetrin’ny vahoakan’Ambohimiarina, ka nanehoan’izy ireo tamin’ny alalan’ny solontenam-pokonolona fa vonona hatrany hifanome tànana ho an’ny fampandrosoana.
Toky R
Nisokatra ofisialy nanomboka omaly 16 aprily tamin’ny alalan’ny fampiratiana maharitra 3