airtel

Sosialy

29-janv-2021

Sosialy

Atsimondrano Tafakatra 400 Ar ny rano iray bidon

Sample post image

Mafy ny fiandrasana rano amin’ny paompin-dranon’ny JIRAMA ho an’ny

29-janv-2021

 

 

 

 

mponina ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Isak’alina manomboka amin’ny 10 ora mantsy dia tsy maintsy mifoha, mameno sinibe miandry sy mitaty ny rano alefan’ny orinasa JIRAMA ny isan-tokantrano noho ny fahatapahan-drano lavareny iainana isan’andro. Ho an’ny eny Andranonahoatra Itaosy manokana dia toy ny kankana kely ny rano havoakan’ny paompin-drano ary tsy mahafeno bidon miloko mavo akory ao anatin’ny 1 ora. Mahatsiaro ho sahirana ny rehetra noho izany. Eo an-daniny anefa dia 10 bidons isan’andro raha kely ny filan’ny tokantrano iray raha tsy manasa lamba. Raha manasa lamba kosa dia manodidina ny 15 bidons any ho any ankoatra ny rano hidiovana sy hisasana. Samy miara-miaiky anefa ny rehetra fa tsy mbola nahitana fidininy mihitsy hatreto ny vidin-drano fa vao mainka midangana aza. Mbola mijanona ho 100 Ar tonga hatrany an-trano ihany mantsy ny rano iray bidon raha tafakatra 200 Ar izany ho an’ireo tokantrano somary lavidavitra kely miala ilay paompin-drano. Ho an’ireo toerana toy ny Ambohidrapeto kosa ohatra dia mahatratra hatrany amin’ny 400 Ar no hividianany ny rano iray bidon miaraka amin’ny soliky ny fiara hitaterana ny rano izay miainga eo Andranonahoatra.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap