airtel

Sosialy

14-févr-2024

AVARATETEZANA AMPITATAFIKA

Nahazo fanampiana ireo traboina

Sample post image

Raha tsy dia re firy hatramin’izay dia mba nahazo ny anjara fanampiany

14-févr-2024

avy amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza voanajanahary ireo traboina avy amina tokantrano miisa 15 ahitana olona 75 isa ao anatin’ny Fokontany Avaratetezana Kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano. Tao amin’ny toerana fandraisana traboina vonjimaika ao amin’ny FJKOMAF izay nametrahana azy ireo no nanatanterahana ny fizarana ny fanampiana. Nahitana fotsim-bary 188 kg izany, tsaramaso : 75 kg ary menaka 15 litatra. Samy nahazo fotsim-bary 12,5 kg, tsaramaso 5 kg ary menaka 01 litatra avy ny isam-pianakaviana. Natao teo hanatrehan'ny sefom-pokontany Avaratetezana , ny solotenan'ny Kaominina ary ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny BNGRC ny fizarana izany. Narahina fanentanana sy fampahafantarana ireo traboina ny fihetsika tokony hatao rehefa misy ny loza ihany koa ny hetsika. Tsiahivina moa fa vokatry ny fiakaran’ny reniranon’i Sisaony no nahatonga azy ireo ho traboina tahaka izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana !
 

Dans la même rubrique