airtel

Sosialy

21-juin-2022

Sosialy

Banky Iraisam-pirenena “Niampy 1,4 tapitrisa ny tsy ampy sakafo eto”

Sample post image

Mitohy ny tsindro-paingotry ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan-dRtoa Marie-Chantal Uwanyiligira solontenany eto Madagasikara.

21-juin-2022

Taorian’ny nanakianany ny delestazy sy ny fisitrahana rano izay ny vahoaka madinika indray no mividy lafo 5000Ar isaky ny m3 raha 750Ar ny an’ny manan-katao, dia ny tsy fahampian-tsakafo indray no noresahany. Mahatratra 7,7 ireo Malagasy zara raha misakafo ankehitriny raha toa ka 6,3 tapitrisa 3 volana lasa, hoy Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira. Midika io fa niampy 1,4 ireo tsy manan-kohanina. Tsara ny manamarika fa efa ao anatin’ny IPC-5 izay sokajy farany ratsy indrindra isika amin’ny tondro momba ny fanjarian-tsakafo. Niarahaba sy nankasitraka ny vinan’ny Fanjakana mikendry vahaolana sy mametraka ho zava-dehibe ny fanatsarana ara-tsakafo ny tenany. “Zava-dehibe sy fototra iorenan’io ny resaka fananan-tany, fahazoana masom-boly, fampisitrahana fampitaovana sy ny lafiny ara-teknolojia, fanohanana ireo koperativa, ny fahafahana misitraka ny famatsiam-bola ara-pambolena sy ny fisian’ny làlam-barotra”, hoy izy. Tsara ny manamarika fa ny Mpamatsy vola no nanome toromarika ny Fanjakana Rajoelina nandritra ny diany tany Etazonia farany teo. Ny vahiny no mahalala ny tokony ho laharam-pahamehana ho antsika, fa raha ny Fanjakana Rajoelina dia tsaroana tsara ny tenin’ny Filoha ny faramparan’ny taona 2021 nilaza fa tsy afaka hiandry 2 taona vao miakatra. Nasiatsiaka hatrany ny tsikera mivantana na ankolaka ataon’ny sehatra Iraisam-pirenena tato ho ato, izay toa milaza fa tsy mahalala ny tokony hataony ny Fitondrana Rajoelina, ary rehefa avy midona amin’ny rindrina hatrany vao mitady izay hasiana ny tongotra. Eo ny krizy irasam-pirenena miantraika aty, fa miharihary hatrany ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahaizana mijery izay tena tokony ho laharam-pahamehana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap