airtel

Sosialy

28-sept-2026

BANKY SIPEM

Manamora ny fahazoan’ny

Sample post image

mpanjifa fiara sy moto vaovao

28-sept-2026

Betsaka ireo mpanjifa tsy manana fahafahana ny hividy fiara na moto vaovao, vola aloha eo noho eo amin’izao noho ny fahasahiranana. Ny aloha tsikelikely no zakan’ny rehetra indrindra fa ho an’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany. Miezaka mitady vahaolana mifandraika amin’izany ny banky Sipem amin’ny alalan’ny tolotra crédit auto-moto". Nandritra ilay hetsika Salon de l'auto izay notanterahina ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny CCI Ivato no nampahafantarany izany izay mbola hitohy ny 01 ka hatramin’ny 04 Oktobra ho avy izao. Nambaran-dRandriantsimialona Lanja, tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Banky Sipem fa manomboka eo amin'ny 6 000 Ar isan’andro ny vola aloha amin’ny moto vaovao iray raha 38.250 Ar isan'andro ny fiara. Afaka misitraka izany avokoa na mpandraharaha na olon-tsotra eny hatramin’ireo efa mañana kaonty any amin'ny banky hafa. Tanjon’ity Banky iray ity ny hahafahan’ny ankohonana malagasy miaina anaty filaminana misy fitaovam-pitaterana sady vaovao mbola tsy niasa. Toraka izany koa ireo mpandraharaha hahafahana mampiroborobo ny toe-karem-pirenena amin’ny ankapobeny. Tsiahivina moa fa manodidina ny 250 isa eo isan-taona raha betsaka ireo fiara vaovao misy mividy eto amintsika. Noho ny tsy fananan’ny olona fahafahana ny hividy izany tolo-botsotra no antony. ‎
Pati
Legende : Randriantsimialona Lanja, tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Banky Sipem !
 

Dans la même rubrique

28-sept-2026

tetsy Andavamamba Anjezika

Card image cap
24-sept-2026

Tsy misy mpividy, velon-taraina ireo mpivarotra

Card image cap
24-sept-2026

Nahazo "guichet automatique"

Card image cap