airtel

Sosialy

05-sept-2022

Sosialy

Beahitse Ampanihy Andrefana Mahatratra 800 Ar ny vidin’ ny rano iray bidon

Sample post image

Hifampitadiavana ny rano fisotro madio any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Beahitse distrikan'i Ampanihy andrefana.

05-sept-2022

Vidiana 500 ka hatramin'ny 800 Ar ny rano iray Bidon miloko mavo raha misy ary mbola handehanana dia an-tongotra lavitra ihany koa ho an’ireo tsy manana boreta. Ankoatra izay dia fantatra maizina tanteraka ihany koa ny tanana ka ahiana hanjaka ny tsy fandriampahalemana. Tsy misy sahy mandeha mivoaka intsony ny mponina raha vantany vao migadona ny amin’ny 06 ora hariva koa hangatahin’izy ireo ny hametrahana herinaratra mandeha amin’ny herin'ny masoandro ao Beahitse. Ho an’ny kaominina ambanivohitra Tamaentsoa, distrikan’i Betioky Atsimo kosa dia fantatra fa nahazo fefin-drano mirefy 260 m sy digy diarovana bekotika mirefy 96 m miampy lakan-drano mirefy 2000 m ny mponina izay hanondraka velaran-tany 540 ha. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny PAM sy nt fitondram-panjakana no nahavitana izao foto-drafitrasa izao ka tokatrano miisa 8.200 no hahazo tombontsoa amin’izany. Marihina moa fa izany no natao dia mba hahafahan’ny isan-tokantrano milofo tanteraka amin’ny fambolena hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mahazo ireo mponina any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Legende : Na ny vehivavy aza mitaona rano amin’ny borety any Beahitse
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap