airtel

Sosialy

01-déc-2022

Sosialy

Belo Tsiribihina Nozaraina osy 5 isanisany avy ireo tokantrano marefo

Sample post image

Osy miisa 175 indray no nozaraina tamin'ireo tokantrano 35 isa sokajiana ho marefo tao amin'ny Distrikan'i Belo amoron'i Tsiribihina, Faritra Menabe, afak’omaly 29 Novambr.

01-déc-2022

Tohana avy amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an'ireo tantsaha mpiompy avy ao amin'ny Kaominina Bemarivo Ankirondro sy Belo amoron'i Tsiribihina izy ireo. Osy miisa 5 ahitana osy lahy 1 sy osy vavy 4 no natolotra ho an’ny isan-tokantrano tamin’izany. Ny DRAE Menabe sy ny Tetikasa AD2M izay notarihin'ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary notronin'ireo solontenam-panjakana avy ao an-toerana no nanatontosa ity fizarana fanampiana ity. Tanjona ny hampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fiompiana osy sy hanatsarana ary hampivoarana ny fari-piainan'ireo tantsaha mba hanatratrarana ny vina ho amin'ny fahavitantena ara-tsakafo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo tantsaha nisitraka izany
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap