airtel

Sosialy

21-mars-2022

Sosialy

Ben’ny tanànan’Ambato Boeny “Zava-dehibe ny fahaiza-manentana handoa hetra”

Sample post image

Zava-dehibe ny fahaiza-manentana ny mponina handoa hetra amin’ny alalan’ny fanehoana aminy fa tsy very ny vola arotsany amin’ny kaominina,

21-mars-2022

 hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’Ambonivohitr’Ambato Boeny, Jean Valerien Rakotonandrasana, ary isan’ny antoky ny fahombiazanay tamin’ny taona lasa izany. volan’ny kaominina madiodio no nahavitanay biraom-pokontany manaraka filan’ny mponina miisa 3, hoy izy, tamin’ny herintaona. Manana fokontany miisa 13 izahay fa 2 ihany no nahavitan’ny fitondrana teo aloha birao. Ny fokontanin’Ankaraobato, Betongoa, Ankifatro no vita ary misy efitra miisa 3. Eo koa ny fividiananay jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Voaloha ara-dalana ny karaman’ny mpiasa ary nahazo “13e mois” ny mpiasan’ny kaominina miisa 54 teo tamin’ny taon-dasa. Nividy traktera handraofana fako izahay raha sarety tarihin’omby no nandraofana izany talohan’ny nandraisako fitondrana. Nisy koa moa ny famatsiam-bolan’ny banky iraisampirenena tamin’ny alalan’ny FDL, izay nahavitanay tsena notokanana ny volana martsa teo. Mahazaka mpivarotra miisa 40 eo io ary fanampin’ny efa nisy teo. Nanao tombana farany izahay ny janoary teo ary nanana ambim-bava 280.400.000 ariary. Asa faran’ny sarotra ny resaka fampidiran-ketra ary antony nanajanonako ny fiaraha-miasa amin’ireo sefo fokontany mihitsy izany fa nikarohako mpamory sy mpanentana ara-ketra na “agent fiscal” rehefa nankatoavin’ny filankevitra sy nandalo tamin’ny fanaraha-maso fampanarahan-dalana. Raha 2% teo ny tahan’ny fampidiran-ketra tamin’ny niara-niasa tamin’ny sefo fokontany dia lasa manodidina ny 30% mahery izy izao. Ny ristorin’ny fambolena sy ny tsena moa no tena mampidi-bola ho an’ny kaominina, ankoatran’izay, hoy hatrany ny tenany, satria ny tsena fotsiny izao, izay tena isan’ny anananay ny lehibe indrindra, dia nampiditra teo amin’ny 125 tapitrisa ariary teo tamin’ny taon-dasa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap