airtel

Sosialy

17-juin-2022

Sosialy

Ben’ny tanànan’i Talatamaty Hanampy tosika ireo tantsaha mpamokatra ao aminy

Sample post image

Ny sehatry famokarana no lalana iray hahafahana mampandroso ny firenena. Voakasik’izany manokana ireo tantsaha mpamboly sy mpiomby izay mahatratra 80% manerana ny Nosy raha 60%

17-juin-2022

kosa izany ho an’ny kaominina Talatamaty. Vain-dohan-draharaha ho an’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic mpitantana ao an-toerana araka izany ny fanohanana azy ireny izay nohamafisiny omaly nandritra ny fanokafana tamim-pomba ofisialy ilay hetsika foarabe ara-toekarena taona 2022 izay karakarain’izy ireo.
VOKATRY NY TANTSAHA
Anisan’ny mampalaza ny kaominina Talatamaty ny fiompiana akoho amam-borona sy ny bitro, raha eo ihany koa ireo karazana legioma maro samihafa, ny vary. Mampiavaka azy ireo ny fananany ireo akoho gasy nohatsaraina izay mahatratra 8 ka hatramin’ny 10 kg ny iray ao anatin’ny 3 volana sy tapany. Tsy maharitra ela be intsony toy ny teo aloha araka izany ny akoho gasy vao matavy sy azo amidy fa vetivety dia lehibe noho ny fanatsarana ny sakafo omena azy. Tantsaha mpiompy am-polony no misehatra amin’izany ao anatin’ity kaominina ity. Toraka izany koa ny legioma izay ahitana ireo karazana tsaramaso feno otrikaina mitovy amin’ny soja. 1500 Ar ny iray kapoaka amin’ity farany. Ny voatabia voafantina, ny akondro masaka eny am-potony, ny haricot vert….sakafo samy azo hampiasaina mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona. Mbola sedra goavana lalovan’izy ireo anefa ny tsy fisian’ny lalam-barotra hahafahany mamokatra vokatra, antony hamondronana azy ireo etsy amin’ny tokontany malalaky ny tranom-barotra jumbo score etsy Talatamaty. Rahampitso sabotsy vao hifarana ny hetsika.
Legende : Tahaka izao ny hatsaran’ireo legioma vokarin’ireo tantsaha ao Talatamaty
HANAMPY TOSIKA NY TANTSAHA
Nambaran’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic nandritra ny kabariny fa maro ireo ezaka efa natao nentina nanampiana ireo tantsaha mpamokatra ao aminy. Efa nisy ohatra ny fizarana masomboly vary voafantina, ny fampidirana zana-trondro ao amin’ny farihin’Andranotapahana….Fanamby vaovao hapetraky ny Ben’ny tanàna indray araka izany ny hampidinana hatrany amin’ny 50% ny vidin’ireo fitaovam-pamokarana izay ilain’ireo tantsaha hahafahan’izy ireo mivelatra sy manatsara ny asa fihariany manomboka amin’ity taona ity. Ankoatra ireo trano eva mampiranty sy mivarotra sakafo, voninkazo, akoho amam-borona dia tazana eny an-toerana ihany koa ireo orinasa maro isan-tsokajiny ao anatin’ny kaominina Talatamaty toy ireo misehatra amin’ny fanamboarana milina famokarana saribao izay ahitana olona manana fahasembanana, ireo mpanamboatra bisikoitra, ireo kazarana banky mpampihindram-bola ireo tantsaha sy mpiasa maro isan-tsokajiny hahafahan’ireto farany manatanteraka ny tetikasany. Nofaranana tamin’ny fiaraha-miasakafo niarahana tamin’ireo tantsaha mpamokatra ny lanonana omaly nahafahan’ny Ben’ny tanàna nihaino ny hetahetan’izy ireo. Nanana olana goavana tamin’ny fahapotehan’ny foto-drafitrasa ara-pambolena mantsy izy ireo indrindra taorian’ny nandalovan’ny rivodoza farany teo teto amintsika. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona avokoa moa izany rehetra izany raha tsiahivina.
Pati
Legende : Natolotra ny Ben’ny tanàna omaly ihany koa ny santa-bary sy santa-bokatra avy amin’ireo tantsaha.
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap