airtel

Sosialy

01-déc-2021

Sosialy

Betafo Zaza 07 taona naolan'ny raikeliny

Sample post image

Zazavavy kely vao 07 taona monja no naolan’ny Raikeliny tany Betafo, Faritra Vakinankaratra. Raha araka ny fantatra dia 25 taona ity Raikely nahavanon-doza ity.

01-déc-2021

 Tao Antsinanantsena Betafo no nitrangan’izany, afak’omaly hariva. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy tao an-trano ny renin'ilay zazavavy kely fa mbola tany am-pitadiavana. Tsy naharitra izany ilay Rangahy tsy mataho-tody ka nanamparany ny filan-dratsiny ilay zaza tsy manan-tsiny.Efa ela ihany koa no nikasa hanolana an'io zaza io ity raikely ity, hoy ny polisy ary tsy namelany raha tsy izao tratrany izao. Nalefa any Antsirabe moa ny lehilahy hanohizana ny famotorana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay raikely nahavanon-doza
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap