airtel

Sosialy

17-nov-2021

Sosialy

BNGRC Nametraka drafitra vaovao hiadiana amin’ny tondra-drano

Sample post image

Nametraka drafitra vaovao ho enti-miady amin’ny tondra-drano indray ny birao nasionaly misahana ny loza voanjanahary na ny BNGRC.

17-nov-2021

Omaly no nanatanterahana ny atrikasa mifandraika amin’izany niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka tetsy amin’ny Carlton Anosy. Ho an’Antananarivo renivohitra manokana dia fantatra fa efa manana izany isika hiatrehana ny rivo-doza sy ireo loza mety ateraky ny orambe saingy noho ny fiovaovan’ny toetr’andro kosa raha araka ny fanazavan’ny jeneraly Elack Olivier dia tsy maintsy tadiavina hatrany ny vahaolana mifanaraka amin’izany. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa efa miezaka sy manolo-tanana ny BNGRC amin’izao ny Fitondram-panjakana. Misy ohatra ny fividianana fitaovana vaovao toy ny vedety…. hahafahana mamonjy ireo olona tratry ny tondra-drano. Toraka izany koa ny sakafo omena sy hatolotra ireo traboina, ny toerana hametrahana azy ireny….Anisan’ny manohana ara-bola izao fandrafetana drafitra vaovao izao moa ny UNICEF sy ny PAM.
Pati
Legende : Midina ifotony tahaka izao hatramin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny BNGRC rehefa tonga ny tondra-drano
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap