airtel

Sosialy

05-nov-2021

Sosialy

Boaderozy tratra teny Ambohimalaza Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha

Sample post image

Bolabolana andramena na boaderozy 58 milanja 1,5 taonina no saron’ny zandary teny amin’ny Lalàm-pirenena faharoa (RN2) teny Ambohimalaza Distrikan’Antananarivo Avaradrano ny alakamisy 28 oktobra teo.

05-nov-2021

 Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary avy amin’ny Kaompania Imerina centrale tamina taksibrosy iray mampitohy an’Antananarivo-Fenoarivo Atsinanana no nahasaronana azy ireo, izay notapatapahana ho 1 metatra, nanamorana ny fitondrana azy. Nosamborina avy hatrany ilay tompon'ireo hazo ireo antsoina hoe Velomora Anaclet, 45 taona, ary natao andrimaso. Toa izany koa ny mpamily ilay fiara antsoina hoe Razafindramparany Fetrarivo Niseheno, 36 taona, mpamily ilay fiara. Araka ny andininy faha 13 amin'ny Lalàna 2015-056 ny 03 febroary 2016 mikasika ny famaizana ny fandikan-dalàna momba ny andramena, dia dia nogiazana ny fiara, izany hoe “saisie” fa tsy “fourrière” akory, hoy ny fanazavana. Notohizana tany Fénérive-Est sy Vavatenina, any amin’ny faritra Analanjirofo ny fanafihadiana ka hita fa nangalarin'i Velomora Anaclet sy ireo “dôkera” namany tamina hazo efa efa nogiazana na “saisis” tao amin’ny Fokontany Anjahambe Kaominina ambonivohitra Ampasimbe, Distrika Fénérive-Est ireo hazo ireo. Efa nogiazana hatramin’ny 2015 izy ireo, tavela tamina toerana manokana nanagiazana azy, fa tsy nakarina tany Toamasina. Tsy tany amin’ny tobim-piantsonana no niainga ny fiara, fa tany an-tranon’ilay naka ny hazo, nahafahana namatratra izany. Nitsoaka kosa ireo dôkera izay voalaza fa nokaramaina 500 000Ar tamin’ny fibatana ny hazo, ka mbola karohina amin’izao fotoana izao. Niarahan'ny compagnie de gendarmerie Imerina centrale sy ny DREDD Analamanga nanao moa ny fanafihadiana. Ny ONG Alliance Voahary Gasy kosa no namatsy vola nahafahana nanohy ny fanafihadiana tany amin’ny faritra Analanjirofo, hoy ny fanampim-baovao. Hatolotra ny Fampanoavana anio ireo roalahy voasambotra voalaza anarana etsy ambony ireo, raha toa ka mbola karohina kosa ny namany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap