airtel

Sosialy

29-févr-2024

BORIBORINTANY FAHATELO

Hotsinjovina manokana ireo zokiolona

Sample post image

Hotsinjovina manokana ireo zokiolona ao anatin’ny Boriborintany fahatelo manomboka izao

29-févr-2024

raha tsy dia nisy mpijery firy hatramin’izay. Nihaona tamin'ireo solontenan'ny zokiolona ao anatin’ny Boriboritany fahatelo, tarihin'ny filohany Andriamatoa Honoré ny delegen’ity Boriborintany ity Rtoa Razafimandimby Rija Ethel omaly Alarobia 28 Febroary. Izany no natao dia mba hahafahana miresaka ny fifampitaizana tokony hapetraka sy ny fampandrosoana tsy maintsy hatao eo anivon'ny Boriboritany. Ilaina hatrany mantsy ny maka ny hevitr’izy ireny amin’ny maha-Raiamandreny sy ela nietezana azy ankoatra ny fijerena manokana ny fiainan’izy ireny. Tsy vitsy mantsy ireo zokiolona mipetra-drery sy miady irery amin’ny fiainana amin’izao na dia manan-janaka aza noho ny hasarotan’ny fiainana. Hijery azy ireo ny delege vaovao noho izany, asa izay hanomboka tsy ho ela. Tsiahivina moa fa efa natomboky Razafimandimby Rija Ethel tamin’ny fizarana sakafo masaka ho an’ireo zokiolona nanerana ny Boriborintany 6 eto an-drenivohitra ny fitsinjovany azy ireny tamin’ny volana Desambra taona 2023 lasa teo.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta omaly !
 

Dans la même rubrique