rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Tsy latsa-danja amin’izany ny boriborintany fahaefatra izay tsy maintsy hitaingenan’ny mponina posiposy na sarety amin’ny sarany 1.000 ka hatramin’ny 2.000 Ar mihitsy mba tsy hijoboana ao anaty rano maloto. Ho an’iny afak’omaly Alatsinainy iny izay mampiraraka izaitsizy ny ranon’orana teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia efa niaina tao anaty rano avokoa ireo mponina tao anatin’ireo Fokontany miisa 44 mandrafitra ny Boriborintany voalohany. Naharitra ora iray na roa izany vao nihena izay vao afaka nivoaka ny tokantranony ny mponina. Eo an-daniny anefa raha araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny delegen’ity Boriborintany iray ity dia efa mandeha foana ny asa fanadiovana ny tata-drano izay hiarahana amin’ny sampandraharaha ara-teknika sy ny kaominina ary ny Fokontany misy ilay ranobe. Izany no natao hoy izy dia hisorohana ny rano tsy ho tonga any an-tokantranon’ireo mponina. Raha sanatria kosa anefa hoy izy ka misy ireo traboina vokatry ny habetsahan’ny ranon’orana latsaka dia tsy maintsy hiarahana amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fanapahana ny toerana hametrahana azy ireny mandrapidinan’ny rano soa aman-tsara. Pati
Legende : Vao manomboka dia efa ranobe tahaka izao sahady no iainan’ny mponin’Antananarivo renivohitra !
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy