airtel

Sosialy

29-juil-2022

Sosialy

Boriboritany faha-5 Hentitra ny fanarahamaso ny fizarana vatsy tsinjo

Sample post image

Tontosa ny alarobia teo ny fizarana vary tsinjo ho an'ny vahoaka sahirana natao teny amin'ny Coliseum Antsonjombe ho an’ireo mponin’ny boriboritany fahadimy.

29-juil-2022

Mijery ny fiainan'ny vahoaka madinika hatrany ny fitondram-panjakana, hoy ny depiote foafidy teny an-toerana, Naivo Raholdina, raha mamendrofendro vahoaka amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana tsy azo ihodivirana fa tranga manerantany ny mpanohitra. Kendrena ahazo avokoa ny sahirana rehetra, hoy izy, ary efa fantatra amin'ny fangaraharaha amin'ny fifantenana ireo tena mila izany koa moa ny ety amin'ny Boriborintany fahadimy. Hentitra amin'ny fandrafetana io lisitra io aho ary nahazo ny laharana voalohany amin'ny fangaraharahan'ny fizarana vary tsinjo araka ny antotan’isa navoakan’ny “Transparency international”, hoy hatrany ny tenany. Olona miisa 3000 hatramin'ny 5000 isaky ny boriboritany no hisitraka izao fanampiana izao hoy ny avy amin'ny fiadidiana ny Repoblika izay manara-maso ny fizarana. Nanotrona ity fizarana vary tsinjo ity ny avy amin'ny fiadidiana ny Repoblika, ny solombavam-bahoakan’ny boriborintany fahadimy, Naivo Raholdina, ny lehiben’ny distrika eny amin’ny boriboritany fahadimy, ny delegen'ny boriborintany fahadimy ary ireo sefo Fokontany eny an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap
16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap