airtel

Sosialy

27-juin-2022

Sosialy

Boriboritany faha-5 Nahazo fanampiana ireo tena sahirana

Sample post image

Amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena nahazoana ny fahaleovantena izao dia mitohy hatrany ny fanampiana ireo tena sahirana ao amin’ny boriboritany fahadimy tanterahan’ny fikambanana mpanao asa

27-juin-2022

soa Fanantenana FAFI 5, tarihin’ny filohany, Hanitriniala Raholdina. Ireo tena sahirana aman-jatony ao amin’ny fokontany Soavimasoandro no nanombohana izany ary tohizana amin’ireo fokontany hafa anatin’ny boriborintany fahadimy ihany koa toy ny mahazatra azy ireo nandritra ny 15 taona naha ara-panjakana ny fikambanana, raha efa ho 20 taona mahery no nanaovan’izy mivady asa soa teny an-toerana, hoy ny fampitam-baovao. Tsy nanadino ary tsy hanadino ireo tena sahirana eny amin’ny boriborintany fahadimy ny fikambanana Fanantenana FAFI 5 ary izay no antom-pisiany sy nijoroany, hoy ny filoha Hanitriniala Raholdina. Vary, menaka, savony sy ny maro hafa ary amin’ny maha fetim-pirenena sy fetin’ny ankizy koa ny volana jona dia nanome “Arendrina”vita Malagasy ho an’ny zanak’izy ireo izy noho ny efa fijoroan’ny “Fondation Fanantenana” dia tsy amin’ny andro fety toy izao ihany ny fanampiana ireo “tena sahirana” fa mitohy sy misandrahaka amin’ny sehatra maro toy ny fampianarana, fitsaboana, fiarovana ny zon’izy ireo ny fikambanana mpanao asa soa, Fanantenana FAFI 5, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap