airtel

Sosialy

29-juil-2021

Sosialy

Boriboritany fahadimy Zazalahy miisa 150 no natao didimpoitra faobe

Sample post image

Feno 15 taona ny fiaraha-miasan’ny fikambanana FAFI-5 Rantsana fanantenana tarihin’ny filohany, Hanitriniala Fanantenana Raholdina, sy ny klinika Fidy teo amin’ny fanaovana didimpoitra faobe.

29-juil-2021

 Niisa 150 isa ireo zazalahy natao izany tamin’ity noho ny hahamehana ara-pahasalama raha 300 mahery taloha. Efa nisy ireo natao izany ny fiandohan’ny ririnina, hoy ny fanazavana, dia izao notohizana izao indray. Didimpoitra amin'ny fomba amerikanina, izany hoe. tsy misy ra mandeha no natao. Ara-pahasalamana, ara-pomban-drazana, araka ny maha Kristianina izany, hoy ny fanamarihana. Filamatry ny fikambanana ny hoe " Miaro sy manasoa vahoaka » ary isan’izany hatrany izao didim-poitra faobe amin’ireo fokontany anaty boriboritany fahadimy izay hiadidian’ny depiote, Naivo Raholdina mivady izao. Ankoatra izay moa dia nomen’izy ireo kilalao , vatomamy, bisikoitra, sokola ireo ankizy. Ireo ray aman-dreny kosa dia notolorana filana andavanandro toy ny vary , menaka , siramamy, savony sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap