airtel

Sosialy

19-avril-2022

Sosialy

By-pass Niha vitsy ireo mpitsangatsangana

Sample post image

Vitsy ireo mpitsangatsangana tazana teny amin'ny By pass omaly alatsinain'ny Paska raha oharina tamin'ny 3 taona lasa.

19-avril-2022

Raha saika feno olona hatrany ohatra ny manamorona iny lalam-baovao mikodana iny dia teo akaikin'ny tetezana efa hiampita ho any Alasora ihany sisa no nahitana izany, toeran nahitana ilay manezy mihodinkodina ireny sy ireo karazana lokalokakely. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'olona maromaro dia noho ny fahasahiranan'ny isan-tokantrano, ny tsy fisian'ny taxibe ary indrindra ny tsy fisian'ny fandriampaha lemana raha sanatria ka tara fodiana no nanosika ny sasany tsy hivoaka fa nijanona tao an-trano omaly. Ho an'ireo taxibe sasany ao amin'ny zotra F izay mandalo any amin'iny faritra By pass iny tokoa mantsy omaly dia tena vitsy izy ireo. Nisy ihany koa ireo sahy nampiakatra saran-dalana hatrany amin'ny 1500 Ar niainga teny Anosy ka izay tsy sahy mijanona. Toraka izany koa ireo taxibe niazo an'Alakamisy Fenoarivo sy Vontovorona izay vao maraina dia efa nanahirana ny mpandeha omaly maraina ary mbola nampiakatra saran-dalana hatrany amin'ny 2000 Ar ihany koa omaly hariva. Naleon'ny sasany araka izany nijanona tao an-trano naka aina no sady tsy lany vola hiatrehana ity herinandro vaovao efa an-tanan-dany ity indray.
Pati
Legende : Mbola tazana tety foana ny manege sy ireo karazana lokalokely

 

 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap