airtel

Sosialy

28-déc-2021

Sosialy

Croix-Rouges Malagasy Nizara tohana ara-tsakafo ho an’ny tokantrano 1200

Sample post image

Nitondra tohana ara-tsakafo ho an’ny tokantrano miisa 1200 any amin’ny kaominina Behara Distrikan’Amboasary Atsimo ny Croix-Rouge Malagasy any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy ny herinandro lasa teo.

28-déc-2021

 Fiaraha-miasa tamin’ny Croix-Rouges any Seychelles, Croissant-Rouge Turc, ary ny Fondation Peace Train. Ho famaliana ny tsy fahampiana ara-tsakafo izay mianjady amin’ny any Atsimo, dia niara-nisalahy nizara sakafo izy ireo, ka tanjona ny hitondra tohana ho an’ireo lasibatry ny haintany ao amin’ny Kaominina Behara Faritra Anosy. Vary 30kg avy, voamaina « poids de cap » 2kg, tsaramaso 2,5kg, menaka 3litatra no nositrahan’ny olona. Efa nanomboka ny taona 2020 no nanamafy ny fizarana tohana ara-tsakafo ho an’ireo olona lasibatry ny kera ny Croix Rouges Malagasy, hoy Rtoa Alice Ralisoa, Filoha Nasionalin’ny Croix-Rouges Malagasy. « Amin’izao fotoana izao, dia misy ny faritra hafa, misy ireo olona hafa lasibatra ihany koa ka miezaka manao izay tratranay sy azonay hoentina eo anatrehan’izany izahay », hoy hatrany izy. Ahafahana miahy ireo olona mandritra ny 15 andro aloha io mba hisorohana ny tsy hivarinan’izy ireo any anaty tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika na « insécurité alimentaire aigue » voasokajy ao anatin’ilay hoe : « Priorité 1- IPC 4 En Urgence dans la classification ». Tafiditra ao anatin’ny famonjena vonjimaika ho an’ny mponina noho izany ny nataon’ny Croix-Rouges, saingy maneho izy ireo fa mikendry ihany koa ny tanjona antenantenan’ezaka ahafaha-manome ny hoenti-manana hanampy amin’ny filàn’ireo mponina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap