airtel

Sosialy

11-juin-2025

DADABE TSY VOAISA SAKAFO

Maty novonoiny ny zokiny, hiakatra fitsarana anio

Sample post image

Efa tsy ara-dalana intsony ny fomba fiainan’ny Malagasy sy ny fisainany ankehitriny

11-juin-2025

noho ny hasarotan’ny fiainana. Vary iray lovia dia hamonoan’ny sasany ny iray kibo aminy vokatry ny hatezerana tsy voafehy. Dadabe iray efa 72 taona no nahavita izany tany Anjanamahasoa, kaominina ambanivohitr’Alakamisy Itenina, distrikan’Ivohibato. Nandeha naka kitay izy mba handrahoan-tsakafo, raha araka ny vaovao azo. Tsy voaisan’ny zokiny lahy sakafo atoandro anefa izy tamin’izany ka novoiny ity farany. Tsy namelany raha tsy afaka ny ainy ka fantatra fa hiakatra fitsarana anio Alarobia 11 Jona ao Fianarantsoa. Efa 74 taona moa io zokiny lahy novonoiny izy. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tamin’ny alalan’ny kapoka no namonoany an’Itompokolahy.
Pati
Legende : Efa tena reraka ity dadabe ity vao hamarana ny androm-piainany any am-ponja !
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

hampiakarana 300 000Ar ny karama farany ambany

Card image cap