hoy izy, dia tena hita mihitsy tamin’ity ny fahantran’ny vahoaka Malagasy satria amin’ity tambazotran-tserasera ity dia hitantsika daholo. Ireny foana no iainan’ny olona any rehefa misy rivodoza na kelikely aza. Rava ny trano dia afaka herinandro izy manangana. Izay foana no iainan’ny vahoaka Malagasy any amin’ny sisiny any ary fahoriana foana ny fahatapahan’ny lalana sy tetezana fa matetika moa tampitampenana isika avy eto Antananarivo. Ho antsika mpitondra fanjakana eto an-tampon’Iarivo eto matetika rehefa tsy mandalo eto ilay izy dia ohatry ny hoe tsy mavesatra ilay izy dia adino. Misy tambazotran-tserasera amin’izao dia hitantsika mihitsy izany atao hoe fahantrana izany. omentsika tsiny ny vahiny miteny hoe firenena farany mahantra isika ary mbola naverin-drizareo izany. Izay no fijerin’ny olona. Rehefa tsy tsapantsika izay dia tsy hiova mihitsy eto. Tokony ho tanjona voalohany ny hampanan-karena ireo vahoaka ireo. Raha nanan-karena ireo dia mety nahavita latsakemboka tsara hanaovana tafom-piangonana tena manara-penitra tsy ho tsofin’ny rivotra. Nanangana trano ireo satria nanam-bola. Afaka napetrantsika ny fenitry ny trano ho tsy laitran-drivo-doza na “anti-cyclonique” tsy hisian’ireny traboina be dia be ireny. Samy nandalovan’ny rivodoza daholo isika sy ireo nosy rahavavy fa ry zareo tsy nanisa tafo lasan’ny rivotra. Andrin-jiro no nianjera tany na andrina dokam-barotra sy hazo. Ny trano tsy nianjera satria nanaraka ilay fenitra. Rehefa apetraka tsara hoe ahoana no fomba atao mba hisian’ny fitsinjaram-pahefana aloha voalohany indrindra satria Madagasikara lehibe noho I Lafrantsa dia tsy fitantsika fa heverintsika ho mitovy Antananarivo sy Fianarantsoa na Antananarivo sy Mananjary. Nanaovana fanapahan-kevitra aza hoe tsy mianatra sy miasa taty Antananarivo ity nefa afaka nianatra sy niasa tsara. Tokony jerena tsara satria manana injeniera misahana ny toetr’andro isika fa tsy handraisana fanapahan-kevitra fahatany fotsiny dia ny toekarena no mikatso avy eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona