airtel

Sosialy

03-sept-2021

Sosialy

Delestazy adin’ny 4 mahery Sao dia mba efa tsy rariny intsony ?

Sample post image

Tsy nifankahitana ny fahatapahan-jiro lava reny teto Antananarivo omaly 02 septambra 2021. Saika faritra maro teto an-dRenivohitra no nnizaka ny delestazy lavareny satria

03-sept-2021

 nanomboka tamin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 2ora sy sasany tolakandro teo izany. Toa nifanandrify indrindra tamin’ny fiomanana tamin’ny lalaon’ny ekipam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra. Na izany aza, endrika sy porofo mazava maneho ny tsy firaharahiana vahoaka intsony. Toa efa mandeha ho azy ny fahatapahana, ny fanazavana efa tsy tena misy intsony na misy ihany fa betsaka no “”azo raisina fa tsy mitombina”. Tsapan’ny Jirama sy ny Fanjakana ve ny fatiantoka ara-toekarena sy ara-tsosialy aterak’izany hoe: adin’ny 4 na adin’ny 5 tsy mandeha ny herinaratra? Mbola rariny ve ny tsy firaharahiana tsotr’izao ny mpanjifa ao anatin’izany sa dia boriboriana fotsiny hoe: zakan’ny olona foana izay hatao azy eo na efa tsy rariny intsony aza? Sanatria rehefa mitroatra ny olona dia holazaina indray fa misy ambadika politika? Tena efa maro ny tofoka sy tezitra, saingy efa hiseho amin’ny alalan’ny fipoahana ara-tsosialy angamba vao ho taitra sy hikoropaka ny Fanjakana fa izao aloha mbola mipetraka tsara ny vahoaka dia vitavita ho azy eo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap