no ilazana azy na fahatapahan-jiro. Io ihany moa no efa iaraha-mahalala fa mampirongatra tsy fandriampahalemana sy mampitombo ny tsy fisiana sy famokarana, izany hoe, isan’ny mamotika toekarena. Maro ireo fihariana potika vokatry ny fahapotehan’ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra na eny amin’ny mpanety io na mpamongady entana mila tahirizina anaty vata fampangatsiahana na ireo toerana fikirakirana tekinolojia amin’ny informatika toy ny «cybercafé» sy ny hafa marobe. Tsy voatery ho taza-maso eny an-tafontrano fa na any anaty tambazotran-tserasera na amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra amina sehatra samihafa dia lasa saika ahitana taratra sy ahitana mivantana izay fananganana saina fotsy ho mariky ny faharesena manoloana ny tsy fahombiazan’ny fitantanana ny firenena izay. Miverina foana isan-taona isaky ny miha maro ireo malaina hanangana sainam-pirenena ho mariky ny fahaleovantena anatin’ny volana jona izay natao hankalazana ny fetim-pirenena ny fanontaniana hoe isika marina ve tena efa azo lazaina ho mahaleontena? Efa tena mampanangana saina fotsy ilay zava-misy eto amin’ny firenena, hoy ny fanehoan-kevitra, ary ny anay io no efa nitsangana efa ela.
J. Mirija
Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.
Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana
Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,
Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe