airtel

Sosialy

08-juin-2022

Sosialy

Depiote Ramilison Ange Richard “Diso fanantenana ny mpamokatra lavanila”

Sample post image

Diso fanantenana sy very fanahy mbola velona ankehitriny ny tantsaha mpamokatra lavanila ao amin’ny faritra SAVA, hoy ny depiote voafidy tao Sambava, Ramilison Ange Richard,

08-juin-2022

satria toy ny mifanohitra tamin’ny teny nifanomezana, hoy izy. Tamin’ny farany volana oktobra, raha nandalo tamin’iny faritra iny, ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, minisitra vitsivitsy, isany ny minisitry ny varotra, dia nanao famoriana ireo solontenana mpandraharaha lavanilina rehetra. Velom-panantenana ny tantsaha mpamboly lavanilina tamin’izay satria ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena mihitsy no niteny hoe 75.000 ariary no vidiny farany ambany amin’ny kilaon’ny lavanilina manta. Tsaroako tsara ny tenin’ny filoham-pirenena tamin’izay fotoana izay hoe mbola tsy maty antoka ianareo tantsaha raha 100.000 ariary ny kilao amin’ny manta raha ny vidiny amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mifanohitra amin’izao no misy izao. 15.000 ariary, 20.000 ariary, 25 000 ariary no hividianan’ireo mpanambola amin’ireo tantsaha efa latsaka lalina dia lalina anaty fahasahiranana. Ny olana dia hoy ireo mpandraharaha hoe mametra ny vidiny ihany ny fanjakana fa tsy mamoaka vola ividianana. Efa notapahan’ny fanjakana fa any amin’ny faha 7 jolay no atao ny tsenan-davanila manta voalohany amin’iny faritra amoron-dranomasina any SAVA iny eto Madagasikara. Ny volana aogositra izahay no efa nahita voninkazona lavanilina be dia be. Taty amin’ny septambra nefa vao naparitak’ireo tekinisianin’ny fambolena ny fisy ho fenoina mikasika izany. Tara iray volana. Mahatsiaro voafitaka ny tantsaha. Raha jerena ilay voninkazo hita tamin’ny aogositra ka atao ilay 9 volana dia may sy jona efa matoy ny lavanilina. Miantso ny fitondram-panjakana mba hiverina amin’ny fanapahan-keviny momba iny daty napetrany mikasika ny taom-piotazana iny. Rehefa tsy matoy aty amin’ny 20 na 24 jona ny lavanila tsy hatoy aty amin’ny jolay izany. Lasa manjaka ny halatra lavanilina am-potony sy ny fivarotan’ireo mpangalatra amin’ny vidiny mora. Ilay mpangalatra no mahazo tombony fa tsy ny fanjakana sy ny tantsaha. Aza gaga raha mahantra ny tantsaha ao SAVA! Mampitombo ny tsy fandriampahalemana ilay izy. Efa nanao fanambarana ireo ben’ny tanana fa tokony atao mialohan’ny 26 jona ny tsenan-davanila manta, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap